Salamo 14 - Malagasy Protestant Bible

Ny faharatsian’ny olona, sy ny fanirian’ny sasany famonjena.

1Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’i Davida.

NY adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra.

Manao izay ratsy sy vetaveta izy;

Tsy misy manao ny tsara.

2Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona,

Mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra.

3Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa;

Tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra,

Izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina,

Ary Jehovah tsy antsoiny?

5Indreo, matahotra dia matahotra izy,

Satria Andriamanitra no eo amin’ny taranaka marina.

6Na dia foananareo aza ny fisainan’ny ory,

Jehovah kosa no arony.

7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny ny famonjena ny Isiraely!

Raha ampodin’i Jehovah avy amin’ny fahababoana ny olony,

Dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely. .

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help