Salamo 6 - Malagasy Protestant Bible

Fivavaky ny olona anarin’Andriamanitra.

1Ho an’ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’i Davida.

JEHOVAH ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy,

Ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

2Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho;

Sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.

3Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra;

Fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?

4Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko;

Vonjeo aho noho ny famindramponao.

5Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana,

Any amin’ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?

6Efa sasatry ny misento aho;

Mampitsinkafona ny farafarako isan-alina aho

Sady mahampo-dranomaso ny fandriako.

7Lanin’alahelo ny masoko;

Efa pahina izy amin’ny ataon’ny mpampahory ahy rehetra.

8Mialà amiko, hianareo mpanao ratsy rehetra;

Fa Jehovah efa nandre ny feon’ny fitomaniako.

9Jehovah efa nandre ny fangatahako;

Jehovah no handray ny fivavahako.

10Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra;

Hihodina izy ka ho menatra tampoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help