Salamo 129 - Malagasy Protestant Bible

Ny hiafaran’ny mpandrafy an’i Ziona.

1Fihirana fiakarana.

MAFY no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora,–

Eny, aoka hataon’ny Isiraely hoe:

2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora;

Nefa tsy naharesy ahy izy.

3Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko;

Efa nanalava ny vavasany izy.

4Marina Jehovah;

Efa nanapaka ny famatorana nataon’ny ratsy fanahy Izy.

5Aoka ho menatra sy hiamboho

Izay rehetra mandrafy an’i Ziona

6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano,

Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;

7Tsy misy mpijinja mameno tànana

Na mpamehy amboara mameno tratra amin’izany;

8Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe:

Hotahin’i Jehovah anie hianareo;

Eny, ny anaran’i Jehovah no itsofanay rano anareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help