Ezekiela 28 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’ny mpanjakan’i Tyro.

1ARY tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

2Ry zanak’olona, lazao amin’ny mpanjakan’i Tyro hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo:

Satria miavonavona ny fonao

Ka hoy hianao: Mba Andriamanitra koa aho;

Eto amin’ny anankiray amin’ny fipetrahan’Andriamanitra no ipetrahako,

Dia eto ampovoan’ny ranomasina.

Nefa olona ihany hianao, fa tsy Andriamanitra tsinona.

Na dia nataonao toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao,–

3Hay! hendry noho Daniela hianao!

Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!

4Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao harena.

Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin’ny rakitrao.

5Ny haben’ny fahendrenao tamin’ny varotrao no nampitomboanao ny harenao,

Ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;

6Koa, indro, izao no lazain’i Jehovah Tompo:

Satria efa nataonao ho toy ny fon’Andriamanitra ny fonao,

7Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao.

Dia izay masiaka indrindra amin’ny firenena,

Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara,

Ary hataony matroka ny famirapiratanao.

8Havariny ho any an-davaka hianao,

Ka ho faty toy ny fahafatesan’izay voatrabaka

Ao amin’ny ranomasina.

9Moa mbola hitompo teny fantatra va hianao eo imason’izay mamono anao hoe: Mba Andriamanitra koa aho?

Nefa olona ihany hianao, fa tsy Andriamanitra tsinona,

Raha mby eo an-tànan’izay manatrabaka anao.

10Tahaka ny fahafatesan’ny tsy voafora

No hahafatesan’ny fahavalo anao;

Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.

11Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

12Ry zanak’olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ny mpanjakan’i Tyro, ka lazao aminy hoe:

Izao no lazain’i Jehovah Tompo:

Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika

Sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,

13Tany Edena, sahan’Andriamanitra, hianao;

Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao,

Dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa,

Ny krysolita, ny beryla, ny jaspy,

Ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena;

Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao,

Tamin’ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.

14Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko hianao;

Tao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra hianao;

Tao amin’ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15Tsy nanan-tsiny hianao tamin’ny nalehanao

Hatramin’ny andro namoronana anao

Ka mandra-pahita heloka tao aminao.

16Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao.

Ka nanota hianao;

Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra hianao.

Ary nosimbako hianao, ry kerobima manaloka,

Hiala tao amin’ny vato mirehitra.

17Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao;

Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao hianao;

Nazerako eny an-tany hianao

Sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka,

18Noho ny haben’ny helokao tamin’ny tsi-fahamarinan’ny varotrao,

Dia voalotonao ny fitoeranao masina;

Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao,

Ary hataoko tonga lavenona eny ambonin ny tany hianao

Eo imason’izay rehetra mijery anao.

19Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao;

Ho tonga fampitahorana hianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.

Faminaniana ny amin’i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely.

20ARY tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

21Ry zanak’olona, manandrifia an’i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,

22ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo:

Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona,

Ary hankalazaina ao ampovoanao Aho;

Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah,

Raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho

Ka miseho ho masina amin’ny ataoko aminy.

23Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho

Ary ra ho eny an-dàlambeny;

Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny;

Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ny taranak’Isiraely,

Avy amin’ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy;

Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.

25Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin’ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason’ny firenena Aho amin’ny ataoko aminy, ka honina any amin’ny taniny izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy.

26Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanimboaloboka; eny, handry fahizay izy amin’ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help