Salamo 13 - Malagasy Protestant Bible

Fitarainana ataon’izay azom-pahoriana mafy loatra.

1Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

JEHOVAH ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany?

Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?

2Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy

Sy hahalahelovako am-po isan-andro?

Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ny fahavaloko ho amboniko?

3Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô;

Ampahazavao ny masoko, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;

4Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: Naharesy azy aho,

Fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.

5Fa raha izaho kosa, dia ny famindramponao no itokiako;

Ho faly amin’ny famonjenao ny foko.

6Hihira ho an’i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help