1TEO amoron’ny onin’i Babylona no nipetrahanay,
Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’i Ziona.
2Teo amin’ny hazomalahelo teo afovoan’i Babylona
No nanantonanay ny lokanganay.
3Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay;
Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe:
Manaova hiran’i Ziona eto anatrehanay.
4Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’i Jehovah
Tany an-tany nivahiniana?
5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,
Aoka kosa ny tànako ankavanana mba hanadino.
6Raha tsy mahatsiaro anao aho,
Aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko,
Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ny fifaliako rehetra.
7Jehovah ô, tsarovy amin’ny taranak’i Edoma
Ny andron’i Jerosalema,
Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy
Hatramin’ny fanorenany.
8Ry Babylona zanakavavy izay efa resy,
Sambatra izay mamaly anao
Araka izay nataonao taminay.
9Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro,
Amin’ny harambato.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.