Salamo 47 - Malagasy Protestant Bible

Fihobiana noho ny niakaran’ny Tompo.

1Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraïta. Salamo.

MITEHAFA tànana, ry firenena rehetra;

Mihobia ho an’Andriamanitra.

2Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana;

Mpanjaka lehibe ambonin’ny tany rehetra Izy.

3Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika

Ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ny tongotsika.

4Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy,

Dia ny voninahitr’i Jakoba izay tiany.

[Sela.]

5Efa niakatra tamin’ny fihobiana Andriamanitra,

Jehovah niakatra tamin’ny fitsofana ny anjomara.

6Mankalazà an’Andriamanitra, eny, mankalazà;

Mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.

7Fa Mpanjaka amin’ny tany rehetra Andriamanitra;

Mahaiza mankalaza tsara hianareo.

8Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-tsamy hafa;

Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany masina.

9Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona

Ho olon’Andriamanitr’i Abrahama;

Fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany;

Avo indrindra Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help