Mika 5 - Malagasy Protestant Bible

Ny hahaterahan’ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany.

1FA hianao, ry Betlehema Efrata,

Izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory,

Dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely;

Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.

2Koa dia hatolony ireny,

Ambara-pihavin’ny fotoana hiterahan’izay anankiray hiteraka;

Ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ ny Zanak’Isiraely.

3Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’i Jehovah,

Sy amin’ny voninahitry ny anaran’i Jehovah Andriamaniny,

Ka handry fahizay ireny,

Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany Izy.

4Ary Izy no ho fiadanana;

Raha tonga eto amin’ny tanin-tsika ny Asyriana

Ka miditra ao amin’ny tranobentsika,

Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.

5Ary handany ny tany Asyria amin’ny sabatra

Sy ny tanin’i Nimroda ao an-tanànany ireo;

Ary Izy hamonjy amin’ny Asyriana,

Raha tonga amin’ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ny fari-tanintsika ireny.

6Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro

Dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah,

Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra,

Izay tsy manantena mpaniraka,

Na miandry zanak’olombelona.

7Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny jentilisa,

Ao amin’ny firenena maro,

Dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an-ala,

Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ny ondry aman-osy:

Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.

8Aoka haingaina amin’ny rafilahinao ny tànanao,

Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.

9Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah,

Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao,

Ary hofonganiko ny kalesinao;

10Hofoanako ny tanàna amin’ny taninao,

Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;

11Hofoanako tsy hisy amin’ny tànanao ny fankatovanao,

Ary tsy hanana mpanandro intsony hianao.

12Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra

Sy ny tsangam-baton-tsampinao;

Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ny asan’ny tànanao intsony hianao.

13Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao;

Ary horavako koa ny tanànanao.

14Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help