Isaia 8 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ny hahaterahan’ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen’i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon’ny tena Isiraely noho ny nahaterahan’ny Zaza Mahagaga.

1ARY hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: ,,Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.’’

2Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia.

3Ary nankany amin’ny mpaminanivavy aho; dia nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.

4Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asyria ny haren’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.

5Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:

6Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka

Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’i Remalia,

7Dia, indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy

Ny rano be sady manonja amin’ny Ony

(Dia ny mpanjakan’i Asyria sy ny voninahiny rehetra);

Ary ny masondranony rehetra ho tondraka,

Ary ny morony rehetra hihoarany;

8Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ny Joda

Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany

Mandra-pahatongany havozona;

Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.

9Misafoaha ihany hianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy hianareo;

Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra,

Misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy;

Eny, misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.

10Makà saina ihany hianareo, nefa mbola hofoanana izany;

Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory;

Fa aminay Andriamanitra.

11Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany,

Ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho:

12Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ity firenena ity ho tetika fikomiana;

Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra hianareo.

13Jehovah, Tompon’ny maro, no hasino;

Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo,

Ary Izy ihany no hangovitanareo.

14Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy,

Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa

Amin’ny firenena roa amin’ny Isiraely,

Sady ho fandrika sy tonta

Amin’ny mponina any Jerosalema.

15Ary maro ao aminy no ho tafintohina

Sady ho lavo sy ho ringana

Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

16Fehezo ny teni-vavolombelona,

Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro.

17Ary hiandry an’i Jehovah aho

Izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba,

Ka hanantena Azy ihany aho.

18Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy

Dia famantarana sy fahagagana ao amin’ny Isiraely

Avy amin’i Jehovah, Tompon’ny maro,

Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.

19Ary raha lazainy aminareo hoe:

Milà saina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika,

Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina?

Fa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?

20Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany!

Raha tsy miteny araka izany teny izany izy,

Dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina.

21Dia samy hivezivezy amin’ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena;

Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra

Ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny,

Ary dia hiandrandra;

22Ary hijery ny tany izy,

Ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana,

Ary horoahina ho any amin’ny aizim-pito izy.

23Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana.

Tamin’ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly;

Fa amin’ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny làlana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana,

Dia Galilia, tanin’ny jentilisa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help