Isaia 58 - Malagasy Protestant Bible

Ny fivavahana marina sy ny fivavahana tsy izy.

1EZAHO ny fiantsonao, fa aza atao malemy,

Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara,

Ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany

Ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany;

2Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan-andro isan-andro,

Ary ny hahalala ny làlako no sitrany.

Tahaka ny firenena efa nanao ny marina

Ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny

No fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana,

Sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.

3Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao?

Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao?

Indro fa amin’ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo,

Ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.

4Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ny ifadianareo

Ary ny hamely amin’ny totohondrin’ny faharatsiana;

Izao fifadianareo izao

Dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ny avo.

5Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako?

Dia andro hampahorian’ny olona tena?

Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro

Sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany,–

Moa izany va no ataonao hoe fifadiana

Sy andro ankasitrahan’i Jehovah?

6Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:

Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana,

Sy hanaboraka ny fehin’ny zioga,

Sy handefa ny ampahorina ho afaka,

Ary hanapatapaka ny zioga rehetra?

7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va,

Sy ny hampiantrano ny ory manjenjena,

Ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka,

Ka tsy hihirimbelona amin’ny namanao hianao?

8Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao,

Ary ho tonga faingana ny fahasitrananao;

Ny fahamarinanao ho loha-làlanao,

Ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodi-làlanao.

9Ary amin’izany dia hiantso hianao, ary Jehovah hamaly;

Eny, hanandratra ny feonao hianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho.

Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga

Sy ny fanondroan’ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,

10Ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao,

Ka mahavoky ny ory hianao,–

Dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,

Ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;

11Ary Jehovah hitari-dàlana anao mandrakariva

Sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina aza

Sy hampahatanjaka ny taolanao;

Dia ho tahaka ny saha vonton-drano hianao

Sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.

12Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela,

Ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao;

Ary hianao dia hatao hoe Mpamboatra ny rava,

Mpamelon-dàlana honenana amin’ny tany.

13Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata hianao

Ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina,

Ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana,

Ary ny nohamasinin’i Jehovah hoe mendrika hohajaina,

Ka manome voninahitra azy

Ary tsy mandeha amin’ny làlanao,

Na manao izay tianao,

Na miteniteny foana,–

14Dia hiravoravo amin’i Jehovah hianao,

Ary hasandratro ao amin’ny havoana amin’ny tany hianao,

Sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao;

Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help