1Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.
JEHOVAH ô, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka;
Ary endrey ny haben’ny hiravoravoany amin’ny famonjenao!
2Ny nirin’ny fony dia nomenao azy,
Ary ny nangatahin’ny molony tsy mba nolavinao.
[Sela.]
3Fa notsenainao fitahiana soa izy;
Teo an-dohany nasianao satroboninahitra tena volamena.
4Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany,
Dia andro lava mandrakizay doria.
5Lehibe ny voninahiny amin’ny famonjenao;
Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy;
Ampifalinao indrindra amin’ny tavanao izy.
7Fa ny mpanjaka matoky an’i Jehovah,
Ary noho ny famindrampon’ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
8Ho azon’ny tànanao ny fahavalonao rehetra;
Eny, ho azon’ny tànanao ankavanana ny mankahala anao;
9Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ny andro hisehoanao–
Jehovah handany azy amin’ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo–
10Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ny tany,
Ary ny taranany tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona;
11Fa nikasa hanisy ratsy anao izy
Ka namoron-kevi-dratsy, fa tsy nahefa.
12Fa hampiamboho azy hianao;
Ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
13Misandrata amin’ny herinao, Jehovah ô,
Hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.