Amosa 6 - Malagasy Protestant Bible

1Lozan’ireo miadana ao Ziona

Sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’i Samaria,

Dia ireo malaza eo amin’ny firenena malaza indrindra

Sady hatonin’ny taranak’Isiraely.

2Mankanesa any Kalne hianareo, ka mijere,

Dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe;

Ary midìna ho any Gatan’ny Filistina;

Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy?

Sa lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?

3Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra

Sy mampanakaiky ny seza fandozana,–

4Dia ireo izay mandriandry ao amin’ny farafara ivoriny

Sy mitsilailay eo amin’ny fandriandriany

Ary homana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ny ondry

Sy ny zanak’omby avy ao am-pahitra,–

5Dia ireo izay mivòvò foana manaraka ny feon-dokanga

Ary mamorona zava-maneno toy ny nataon’i Davida,

6Dia ireo izay misotro divay amin’ny lovia famafazana

Sady mihosotra diloilo tsara indrindra,

Nefa tsy onena ny fahasimban’i Josefa–

7Koa amin’izao dia ho voalohany amin’izay hobaboina ireo,

Ary hatsahatro ny hobin’izay mitsilailay foana.

8Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ny tenany,

Hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro:

Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’i Jakoba,

Ary halako ny tranobeny;

Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny.

9Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray,

Dia samy ho faty ireo.

10Ary ny havan’izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy

Ka hitondra ny faty hiala ao an-trano,

Dia hiteny amin’izay ao anaty trano hoe:

Mbola misy ihany va ato aminao?

Ary raha hoy izy: Tapitra!

Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotononina ny anaran’i Jehovah.

11Fa, indro, Jehovah no mandidy,

Ka horavana ny trano lehibe,

Ary hotresatresahina ny trano madinika.

12Mihazakazaka eny amin’ny sola-bato va ny soavaly.

Misy olona mampihosy omby va eny,

No efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?

13Dia hianareo izay mifaly amin’ny zava-poana ka manao hoe:

Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?

14Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’Isiraely,

Hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro,

Dia hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamata izy

Ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tani-hay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help