Salamo 81 - Malagasy Protestant Bible

Fiantsoana ny Isiraely hifaly amin’Andriamanitra noho ny nitondrany azy nivoaka avy tany Egypta.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon’i Asafa.

MIHOBIA ho an’Andriamanitra herintsika;

Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba.

2Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka,

Ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ny valiha.

3Tsofy ny anjomara amin’ny volana;

Eny, amin’ny feno-volana, dia amin’ny andro firavoravoantsika.

4Fa lalàna ho an’ny Isiraely izany,

Ary fitsipik’Andriamanitr’i Jakoba.

5Notendreny ho vavolombelona eo amin’i Josefa izany,

Raha nandeha namely ny tany Egypta Izy;

Nandre teny tsy fantatro aho.

6Nampiala ny sorony tamin’ny entana Aho;

Nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.

7Fony azom-pahoriana hianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho;

Namaly anao tao amin’ny fiafenan’ny kotrokorana Aho

Ary nizaha toetra anao tao amin’ny ranon’i Meriba.

[Sela.]

8Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao;

Enga anie hihaino Ahy hianao, ry Isiraely ô;

9Aza asiana andriamani-kafa eo aminao;

Ary aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny firenena hafa.

10Izaho no Jehovah Andriamanitrao,

Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

Atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.

11Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko;

Ary ny Isiraely tsy nankatò Ahy;

12Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony izy,

Handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany.

13Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko,

Dia handeha amin’ny làlako ny Isiraely;

14Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho

Ka hamerina ny tànako hamely ny rafiny!

15Izay mankahala an’i Jehovah dia hikoy aminy,

Ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ny oloko;

16Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy;

Eny, tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help