Salamo 146 - Malagasy Protestant Bible

Dera ho an’Andriamanitra, Mpamonjy tokana.

1HALELOIA.

Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko.

2Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa;

Eny, hankalaza an’Andriamanitro aho,

Raha mbola velona koa.

3Aza matoky ny lehibe,

Na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.

4Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy;

Ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.

5Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy

Sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny,

6Izay nanao ny lanitra sy ny tany,

Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny,

Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,

7Izay manome rariny ho an’ny ampahorina,

Izay manome hanina ho an’ny noana.

Jehovah mamaha ny mpifatotra;

8Jehovah mampahiratra ny jamba;

Jehovah mampitraka ny mitanondrika;

Jehovah tia ny marina;

9Jehovah miaro ny vahiny

Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,

Fa mamadika ny làlan’ny ratsy fanahy kosa.

10Manjaka mandrakizay Jehovah,

Hatramin’ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help