1Ho an’ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’i Davida.
ANDRIAMANITRO ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao?
Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ny fitarainako.
2Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao;
Ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
3Kanefa masina Hianao,
Ry mipetraka eo ambonin’ny fideran’ny Isiraely.
4Hianao no nitokian’ny razanay;
Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5Hianao no nitarainany, ka afaka izy;
Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6Ary izaho dia olitra, fa tsy olona,
Fandàtsan’olona sy fanevatevam-bahoaka.
7Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy;
Manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8Ankino amin’i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy;
Eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
9Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo;
Nampandry ahy fahizay Hianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko.
10Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho;
Hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana,
Sady tsy misy mpamonjy.
12Mitangorona amiko ireo ombilahy be,
Ny maherin’i Basana manemitra ahy.
13Misanasana vava amiko izy;
Eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra;
Tahaka ny savoka ny foko:
Miempo ato anatiko izy.
15Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko;
Ary ny lelako miraikitra amin’ny lanilaniko;
Ao amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
16Fa mitangorona amiko ny amboa,
Ny fiangonan’ny rasty fanahy manemitra ahy.
Manindrona ny tongotro aman-tànako izy –
17Mahisa ny taolako rehetra aho–
Ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18Mizara ny fitafiako ho azy izy,
Ary ny akanjoko ilokany.
19Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra;
Ry Heriko ô, faingàna hamonjy ahy.
20Vonjeo amin’ny sabatra ny fanahiko,
Dia ny hany malalako amin’ny herin’ny amboa.
21Vonjeo amin’ny vavan’ny liona aho;
Ary valio ho afaka amin’ny tandroky ny ombimanga.
22Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho;
Eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao.
23Hianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà Azy;
Ry taranak’i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy;
Ary matahora Azy, ry Zanak’Isiraely rehetra.
24Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy,
Ary tsy mba manafina ny tavany aminy;
Fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
25Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ny fiangonan-dehibe;
Ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’izay matahotra an’i Jehovah.
26Hihinana ny mpandefitra ka ho voky;
Hidera an’i Jehovah izay mitady Azy;
Ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
27Hahatsiaro ka hiverina ho amin’i Jehovah ny faran’ny tany rehetra;
Ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ny firenen-tsamy hafa.
28Fa an’i Jehovah ny fanjakana;
Ary manapaka amin’ny firenen-tsamy hafa Izy.
29Hihinana sy hiankohoka ny mpanefohefo rehetra ambonin’ny tany;
Eo anatrehany no hiondrehan’izay rehetra efa hidina any amin’ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
30Hisy taranaka hanompo Azy;
Ary ny Tompo dia holazaina amin’ny taranaka ho avy.
31Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany
Amin’ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.