Ohabolana 3 - Malagasy Protestant Bible

Famporisihana hitondra tena tsara.

1ANAKA, aza manadino ny lalàko;

Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;

2Fa andro maro sy taona ela iainana

Ary fiadanana no hanampiny ho anao.

3Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana;

Afehezo eo am-bozonao izany,

Ary soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka,

4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara

Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona hianao.

5Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra,

Fa aza miankina amin’ny fahalalanao;

6Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra,

Fa Izy handamina ny làlanao.

7Aza manao anao ho hendry;

Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.

8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany

Sy ho fanamandoana ny taolanao.

9Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao

Sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra;

10Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao,

Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao.

11Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah,

Ary aza tofoka amin’ny fananarany;

12Fa izay tian’i Jehovah no anariny,

Dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.

Ny fahasambaran’izay olona mahita fahendrena.

13SAMBATRA izay olona mahita fahendrena

Sy izay olona mahazo fahalalana.

14Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy,

Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.

15Saro-bidy noho ny voahangy izy;

Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.

16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana;

Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.

17Làlana mahafinaritra ny làlany,

Ary fiadanana ny alehany rehetra.

18Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy;

Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.

19Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany,

Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ny lalina

Sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.

21Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany;

Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,

22Ka dia ho ain’ny fanahinao izany

Ary ho firavaky ny vozonao,

23Dia handroso aman-toky hianao,

Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24Tsy hatahotra hianao, raha mandry;

Eny, handry hianao, ary ho mamy ny torimasonao.

25Aza manahy ny tahotra avy tampoka,

Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;

26Fa Jehovah no ho tokinao

Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

Famporisihana hanao soa amin’olona sy hanao ny marina.

27AZA mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy,

Raha azon’ny tananao atao ihany;

28Aza manao amin’ny namanao hoe:

Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko;

Kanefa manana ihany hianao.

29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao,

Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.

30Aza miady amin’olona foana,

Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

31Aza mialona ny olon-dozabe,

Na mifidy izay làlany akory,

32Satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia,

Fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.

33Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;

Fa ny fonenan’ny marina dia tahìny kosa.

34Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira,

Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.

35Ny hendry handova voninahitra;

Fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help