Salamo 28 - Malagasy Protestant Bible

Fiantsoana an’Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy.

1Nataon’i Davida.

HIANAO no antsoiko, Jehovah ô,

Ry Vatolampiko ô, aza manentsin-tadìny amiko;

Fandrao, raha mangina amiko Hianao,

Dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.

2Mihainoa ny feon’ny fifonako, raha mitaraina aminao aho,

Raha manandratra ny tànako ho amin’ny fitoeranao masina indrindra aho.

3Aza atao indray manakipaka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho,

Fa ireny dia milaza fihavanana amin’ny namany,

Kanjo ratsy no ao am-pony.

4Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ny ataony;

Eny, manomeza azy araka ny vitan’ny tànany,

Valio izy araka izay iendrehany.

5Fa tsy mihevitra ny asan’i Jehovah, na ny vitan’ny tànany, izy,

Dia horavan’i Jehovah izy, fa tsy haoriny.

6Isaorana anie Jehovah,

Fa efa nihaino ny feon’ny fifonako Izy.

7Jehovah no heriko sy ampingako;

Izy no nitokian’ny foko, ka voavonjy aho;

Dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8Jehovah no heriny,

Ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9Vonjeo ny olonao,

Ary tahio ny lovanao;

Andraso izy, ka tezao mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help