Joba 35 - Malagasy Protestant Bible

1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:

2Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe:

Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’Andriamanitra?

3Fa hoy hianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa?

Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ny fahotako?

4Izaho no hiteny hamaly anao

Mbamin’ny namanao.

5Jereo ary ny lanitra ka zahao;

Ary tsinjovy irỳ habakabaka,–avo loatra iny ka tsy takatrao.

6Raha manota hianao, moa mahefa inona aminy?

Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?

7Raha marina hianao, dia hahazoany inona moa izany?

Na inona no horaisiny avy amin’ny tànanao?

8Mihatra amin’ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao;

Ary mihatra amin’ny olombelona ihany ny fahamarinanao.

9Noho ny habiazan’ny fampahoriana no itarainan’ny olona;

Eny, minananana izy noho ny sandrin’ny mahery,

10Nefa tsy misy manao hoe:

Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina,

11Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany,

Dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina?

12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy)

Noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy.

13Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’Andriamanitra,

Ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.

14Na dia lazainao fa tsy mahita Azy aza hianao,

Efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy hianao.

15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany,

Moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?

16Mba miloa-bava foana anefa Joba

Ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help