Salamo 120 - Malagasy Protestant Bible

Fitarainana ataon’ny olona miara-mitoetra amin’izay tia ady.

1Fihirana fiakarana.

JEHOVAH no nitarainako tamin’ny fahoriako dia namaly ahy Izy,

2Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ny molotra mandainga,

Eny, amin’ny lela mamitaka.

3Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao,

Ry lela mamitaka?

4Zana-tsipìkan’ny mahery sady voaranitra,

Mbamin’ny vain’afon’anjavidy.

5Lozako, fa mivahiny eto amin’ny Maseka aho

Ary mitoetra ato an-dain’ny Kedarita!

6Ela loatra izay no nitoeran’ny fanahiko

Teo amin’izay tsy tia fihavanana.

7Raha izaho, dia fihavanana;

Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help