Apokalypsy 3 - Malagasy Protestant Bible

(5) Sardisy.

1Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Sardisy:

Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany.

2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro.

3Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.

4Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria mendrika izy.

5Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.

6Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.(6) Filadelfia.

7Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Filadelfia:

Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:

8Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany hianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.

9Indro, alaiko ny sasany amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.

10Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany.

11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.

13Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.(7) Laodikia.

14Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Laodikia:

Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao:

15Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao.

16Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao;

17fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;

18dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.

19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.

20Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

21Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany.

22Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help