Salamo 17 - Malagasy Protestant Bible

Fivavaky ny ory mba hovonjen’Andriamanitra tsy ho azon’ny hery sy ny reharehan’ny fahavalony.

1Fivavak’i Davida.

JEHOVAH ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako,

Atongilano ny sofinao amin’ny fivavako avy amin’ny molotra tsy misy fitaka.

2Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy;

Ny masonao hijery marina.

3Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina;

Nizaha toetra ahy tamin’ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona;

Ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.

4Ny amin’ny asan’ny olona, dia ny tenin’ny molotrao

No nitandremako tsy ho amin’ny làlan’ny mpanao an-keriny.

5Ny diako maharitra eo amin’ny làlanao,

Tsy solafaka ny tongotro.

6Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô;

Atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.

7Ataovy mahagaga ny famindramponao, ry Mpamonjy amin’ny tànanao ankavanana izay olona mialoka aminao,

Mba tsy ho azon’ny fahavalo.

8Arovy tahaka ny anakandriamaso aho,

Afeno ao ambanin’ny aloky ny elatrao,

9Mba tsy ho azon’ny ratsy fanahy izay mampahory ahy,

Dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.

10Efa mihirim-belona izy;

Teny miavonavona no aloaky ny vavany.

11Manodidina anay amin’ny alehanay ankehitriny izy,

Vandrininy hapotrany amin’ny tany izahay;

12Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira,

Sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.

13Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy;

Vonjeo amin’ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ny ratsy fanahy;

14Vonjeo amin’ny tànanao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ny olon’izao tontolo izao,

Izay manana ny anjarany amin’izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony;

Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ny zanany madinika.

15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ny fahamarinana;

Aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha. .

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help