Salamo 29 - Malagasy Protestant Bible

Fiderana an’Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin’ny kotrokorana.

1Salamo nataon’i Davida.

MANOMEZA an’i Jehovah, ry zanak’Andriamanitra,

Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah.

2Omeo an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany;

Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina.

3Ny feon’i Jehovah no eny ambonin’ny rano be;

Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana;

Jehovah no eny ambonin’ny rano be.

4Ny feon’i Jehovah be hery;

Ny feon’i Jehovah be voninahitra.

5Ny feon’i Jehovah manorotoro ny hazo sedera;

Eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.

6Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’omby Izy,

Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7Ny feon’i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

8Ny feon’i Jehovah mampihorohoro ny efitra;

Jehovah mampihorohoro ny efitr’i Kadesy.

9Ny feon’i Jehovah mampiteraka ny dieravavy

Ary mivaofy ny ala be.

Ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!

10Jehovah nipetraka teo ambonin’ny Safo-drano;

Eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.

11Jehovah hanome hery ny olony;

Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help