Salamo 101 - Malagasy Protestant Bible

Fikasan’ny mpanjaka ny amin’ny hitondrany marina ny fanjakany.

1Salamo nataon’i Davida.

FAMINDRAMPO sy fitsarana no hankalazaiko;

Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.

2Hitandrina ny làlana marina aho;

Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao?

Handeha amin’ny fahitsian’ny foko ao anatin’ny tranoko aho.

3Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho;

Halako ny mivadika,

Tsy hikambana amiko izany.

4Ny fo maditra hiala amiko;

Tsy hankasitraka izay ratsy aho.

5Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako;

Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po.

6Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ny tany mba hitoerany ato amiko;

Izay mandeha amin’ny làlana marina no hanompo ahy.

7Tsy mba hitoetra ao anatin’ny tranoko izay manao fitaka;

Tsy mba hijanona eo anoloan’ny masoko izay milaza lainga.

8Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany,

Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’i Jehovah.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help