1Salamo nataon’i Asafa.
ANDRIAMANITRA ô, tonga eto amin’ny lovanao ny jentilisa
Ka nandoto ny tempolinao masina
Sady nanao an’i Jerosalema ho korontam-bato.
2Ny fatin’ny mpanomponao nomeny hehanin’ny voro-manidina,
Ny nofon’ny olonao masina ho an’ny bidi-dia;
3Ny rany naidiny manodidina an’i Jerosalema tahaka ny rano,
Ary tsy nisy handevina.
4Tonga fandàtsan’ny namanay izahay
Sady faneso sy fanakòran’izay manodidina anay.
5Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao,
Ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaronao?
6Aidino amin’ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao
Sy amin’ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
7Fa efa nandany an’i Jakoba izy ireo
Sady nandrava ny fonenany.
8Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay;
Aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantranao,
Fa reraka indrindra izahay.
9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao;
Ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
10Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Aoka ho fantatra amin’ny jentilisa eo imasonay
Ny famaliana ny ran’ny mpanomponao izay nalatsaka.
11Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ny mpifatotra;
Araka ny halehiben’ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
12Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ny mifanila fonenana aminay
Ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.
13Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao,
Dia hisaotra Anao mandrakizay;
Hatramin’ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fiderana Anao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.