Salamo 143 - Malagasy Protestant Bible

Faniriam-pamindrampo noho ny fahoriana mafy.

1Salamo nataon’i Davida.

JEHOVAH ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ny fifonako ny sofinao;

Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

2Ary aza dia mifandahatra amin’ny mpanomponao eo am-pitsarana;

Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo;

Namely ny aiko ho lavo tamin’ny tany izy;

Nampitoeriny tao amin’ny maizina aho, toy izay efa maty ela.

4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko;

Fadiranovana ny foko ato anatiko.

5Mahatsiaro ny andro fahiny aho

Ary misaina ny asanao rehetra;

Ny asan’ny tànanao no eritreretiko.

6Mananty tànana aminao aho;

Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao.

[Sela.]

7Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko;

Aza manafina ny tavanao amiko,

Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina,

Fa Hianao no itokiako;

Ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako,

Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

9Jehovah ô, vonjeo amin’ny fahavaloko aho;

Ao aminao no iereko.

10Ampianaro hanao ny sitraponao aho;

Fa Hianao no Andriamanitro;

Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.

11Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho;

Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ny fahoriana.

12Ary araka ny famindramponao fongory ny fahavaloko,

Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko;

Fa mpanomponao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help