Jeremia 47 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’ny Filistina.

1NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’i Gaza.

2Izao no lazain’i Jehovah:

Indro, misy rano mizotra avy any avaratra

Ka ho tonga ony maria

Manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,

Dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy;

Ka dia hitaraina ny olona,

Ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany.

3Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka

Sy ny fikorodondrodon’ny kalesiny

Ary ny fikotrokotroky ny kodiany

Ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tànana,

4Noho ny hihavian’ny andro handravana ny Filistina rehetra

Sy handringanana izay sisa rehetra amin’ny mpamonjy an’i Tyro sy Sidona;

Fa horavan’i Jehovah ny Filistina,

Dia ny sisa avy any amin’ny nosy Kaftora.

5Voaharatra Gaza,

Ringana Askelona mbamin’ny sisa amin’ny lohasahany;

Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao hianao?

6Indrisy, ry sabatr’i Jehovah!

Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao?

Midira ao amin’ny tranonao ihany;

Mitsahara, ka mijanòna.

7Hataony ahoana no fitsahatra.

Fa Jehovah no nandidy azy,

Eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina

No efa nanendreny azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help