Salamo 131 - Malagasy Protestant Bible

Fiononam-po sy fiankinana amin’Andriamanitra.

1Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.

JEHOVAH ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko;

Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho,

Na izay saro-pantarina tsy takatro.

2Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho;

Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny,

Dia tahaka izany ny fanahiko ato anatiko.

3Ry Isiraely ô, manantenà an’i Jehovah

Hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help