Hosea 2 - Malagasy Protestant Bible

1Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ny Zanak’Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona hianareo.

2Dia hiara-mivory ny taranak’i Joda sy ny taranak’Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ny tany; fa ho lehibe ny andron’i Jezirela.

3Manaova amin’ny rahalahinareo hoe: Amỳ, ary amin’ny anabavinareo hoe: Rohama.Ny hamaizana ny Isiraely, sy ny mbola hampodian’i Jehovah azy.

4MIFANDAHARA amin-dreninareo, eny, mifandahara–

Fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny–

Ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ny tavany

Sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;

5Fandrao hampihanjahanjaiko izy

Ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany,

Ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy,

Eny, hataoko matin-ketaheta izy.

6Ary tsy hamindrako fo ny zanany,

Satria zanaky ny fijangajangana ireny.

7Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra;

Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho,

Izay manome ahy ny haninkohaniko sy ny rano hosotroiko,

Sy ny volon’ondriko sy ny rongoniko

Sy ny diloiloko ary ny fisotroko.

8Koa, indro, hotampenako tsilo ny làlanao

Sady hasiako fefy,

Ary tsy hahita izay làlan-kalehany izy.

9Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy;

Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita;

Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ny vadiko taloha aho;

Fa niadana aho tamin’izay noho ny ankehitriny.

10Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo,

Sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany,

Izay nolaniny ho an’ i Bala,

11Koa dia halaiko indray ny variko amin’ny androny

Sy ny ranom-boaloboko amin’ny taonany,

Ary hesoriko ny volon’ondriko sy ny rongoniko,

Izay nomena hasarony ny fitanjahany.

12Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ireo lehilahiny ny fahamenarany,

Ka tsy hisy hahafaka azy amin’ny tànako.

13Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra,

Dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany,

Eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.

14Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny,

Izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ireo lehilahiko ireto;

Ary hataoko ho tonga ala ireny

Ka hohanin’ny bibi-dia.

15Ary hovaliako izy noho ny andron’ireo Bala,

Izay efa nandoroany ditin-kazo manitra

Sady niravahany ny kaviny sy ny firavany,

Ka nanaraka ireo lehilahiny izy;

Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.

16Koa, indro, Izaho dia hitaona azy

Ka hitondra azy ho any an-efitra

Ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.

17Ary hatrany dia homeko azy ny tanimboalobony

Sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana;

Ary any no hamaliany toy ny tamin’ny andro fahatanorany,

Dia toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.

18Ary raha mby amin’izany andro izany, hoy Jehovah,

Dia hataonao hoe Aho Vadiko,

Fa tsy hataonao intsony hoe Balako.

19Fa hesoriko amin’ny vavany ny anaran’ireo Bala,

Ka tsy hotsarovana amin’ny anarany intsony ireo.

20Ary raha mby amin’izany andro izany,

Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibi-dia

Sy amin’ny voro-manidina

Ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany;

Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana,

Dia hataoko mandry fahizay izy;

21Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay hianao,

Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny

Ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo hianao;

22Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana hianao,

Ka dia hahalala an’i Jehovah.

23Ary amin’izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah,

Eny, hihaino ny lanitra Aho,

Ary izy kosa hihaino ny tany;

24Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo;

Ary ireo kosa dia hihaino an’i Jezirela,

25Dia hafafiko ho Ahy amin’ny tany izy;

Ary hamindra fo amin’i Lô-rohama Aho

Sady hanao amin’i Lô-amỳ hoe: Oloko hianao;

Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help