1HALELOIA.
Miderà, hianareo mpanompon’i Jehovah,
Miderà ny anaran’i Jehovah.
2Isaorana anie ny anaran’i Jehovah
Hatramin’izao ka ho mandrakizay.
3Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany
No hoderaina anie ny anaran’i Jehovah.
4Avo ambonin’ny jentilisa Jehovah;
Ambonin’ny lanitra ny voninahiny.
5Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika,
Izay mipetraka any amin’ny avo,
6Nefa miondrika mijery
Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy
Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika,
8Mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka ny olony.
9Mampitoetra tsara ny momba Izy,
Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly.
Haleloia.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.