Isaia 9 - Malagasy Protestant Bible

1Ny olona izay mandeha amin’ny maizina

Dia mahita mazava lehibe;

Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana

No iposahan’ny mazava.

2Hamaroinao ity firenena ity,

Ary ampitomboinao ny hafaliany;

Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano,

Ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo.

3Fa ny bao fitondran-entany

Sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny,

Izay tsorakazon’ny mpampiasa azy,

Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana.

4Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady

Sy ny fitafiana mihosin-dra

Dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

5Fa Zaza no teraka ho antsika,

Zazalahy no omena antsika;

Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony,

Ary ny anarany atao hoe

Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery,

Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.

6Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana

Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany,

Mba hampiorenana sy hampitoerana azy

Amin’ny rariny sy ny hitsiny

Hatramin’izao ka ho mandrakizay;

Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.

Ny amin’ny aninjiran’i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony.

7NY Tompo mandefa teny ho an’i Jakoba,

Ka mihatra amin’ny Isiraely izany.

8Ary ho fantatr’izy iray firenena izany,

Dia Efraima sy ny mponina any Samaria,

Izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony manao hoe:

9Biriky no efa nirodana,

Fa vato voapaika kosa no harafitsika;

Aviavy no voakapa,

Fa sedera kosa no hasolontsika azy.

10Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy

Ary mamporisika ny fahavalony,

11Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana;

Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo.

Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany,

Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

12Fa ny olona tsy miverina amin’Izay mamely azy,

Eny, Jehovah, Tompon’ny maro, tsy mba tadiaviny.

13Ka dia hofongoran’i Jehovah amin’ny Isiraely indray andro monja

Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro

14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha,

Ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);

15Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy,

Ary izay tarihiny dia voatelina.

16Ary noho izany dia tsy mahafaly an’i Jehovah ny zatovony,

Ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany;

Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy,

Ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana.

Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany,

Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

17Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo,

Mandevona ny tsilo sy ny hery

Ary mampirehitra ny ala mikirindro

Ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.

18Noho ny fahatezeran’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia efa maintin’ny afo ny tany,

Ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo;

Tsy misy olona miantra ny rahalahiny

19Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany;

Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany;

Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,

20Eny, Manase mihinana an’i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’i Manase,

Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’i Joda.

Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany,

Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help