Salamo 145 - Malagasy Protestant Bible

Salamo abidy. Fiderana an’Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo.

1Fideran’i Davida.

HANANDRATRA Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,

Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.

2Hankalaza Anao isan-andro aho

Sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.

3Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra;

Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.

4Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy

Sy hanambara ny asanao lehibe.

5Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao

Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.

6Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona;

Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.

7Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy

Sy hihoby ny fahamarinanao.

8Mamindra fo sy miantra Jehovah;

Mahari-po sady be famindrampo Izy.

9Manisy soa izao tontolo izao Jehovah;

Ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.

10Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra;

Ary ny olonao masina misaotra Anao.

11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy

Sady miresaka ny herinao,

12Mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao

Sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.

13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,

Ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.

14Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo

Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

15Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao,

Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany.

16Manokatra ny tànanao Hianao

Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.

17Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra,

Sady mamindra fo amin’ny asany rehetra.

18Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy,

Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

19Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy

Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.

20Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah;

Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.

21Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako;

Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help