1Eny, izany no mampitepotepo ny foko
Ka mampiemponempona azy hiala amin’ny fitoerany.
2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony
Sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ny vavany.
3Mandefa izany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra Izy,
Ary ny helatra hatramin’ny faran’ny tany.
4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona;
Mampikotrokotroka ny feon’ny fahalehibiazany Izy,
Ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
5Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony;
Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
6Fa ny orampanala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ny tany hianao;
Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7Mampiohona ny tànan’ny olona rehetra Izy,
Mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibi-dia
Ka mamitsaka ao an-davany.
9Avy any atsimo ny tadio,
Ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
10Ny fofonain’Andriamanitra mahamisy ranomandry,
Ka voageja ny rano malalaka.
11Ny rahona matevina tambesarany rano,
Ary ny rahon’ny helatra dia ampieleziny;
12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo
Hanatateraka izay rehetra andidiany azy
Eny ambonin’ny tany eran’izao tontolo izao,
13Na alatsany ho famaizana–
Raha tokony ho an’ny taniny izany–na ho famindrampo kosa.
14Mihainoa izany, ry Joba;
Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra.
15Fantatrao va ny fanamboaran’Andriamanitra ireny
Sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
16Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina,
Dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?
17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana,
Raha migaingaina ny andro azon’ny rivotra avy any atsimo,
18Moa hianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy,
Izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy;
Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina.
20Holazaina aminy va, raha miteny aho?
Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
21Tsy hita ankehitriny ny mazava,
Izay mamirapiratra any amin’ny rahona:
Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
22Avy any avaratra no ihavian’ny mazava mitarehim-bolamena;
Ao amin’Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika;
Izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
24Koa izany no atahoran’ny olona Azy;
Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.