Mpitsara 17 - Malagasy Protestant Bible

Ny nanaovan’i Mika sarin-javatra hivavahana.

1NISY lehilahy tany amin’ny tany havoan’i Efraima, Mika no anarany.

2Ary hoy izy tamin’ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin’i Jehovah anie ny zanako.

3Ary rehefa naveriny tamin’ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ny tànako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.

4Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon’i Mika izany.

5Ary nanana tranon’andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.

6Tamin’izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.

7Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ny fokon’i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.

8Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin’izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin’ny tany havoan’i Efraima tao an-tranon’i Mika.

9Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa hianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin’izay azoko hitoerena.

10Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko hianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.

11Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.

12Dia natokan’ i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon’i Mika.

13Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help