Salamo 34 - Malagasy Protestant Bible

Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon’izay efa novonjena tamin’ny fahoriana nanjo azy.

1Nataon’i Davida tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha.

HISAOTRA an’i Jehovah lalandava aho;

Ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

2Jehovah no reharehan’ny fanahiko;

Hahare izany ny mpandefitra ka ho faly.

3Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko;

Ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.

4Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy

Ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.

5Mijery Azy ireo ka miramirana,

Sady tsy mangaihay ny tavany.

6Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah

Ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.

7Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy

Ka mamonjy azy.

8Andramo ka izahao fa tsara Jehovah;

Sambatra izay olona mialoka aminy.

9Matahora an’i Jehovah, hianareo olony masina;

Fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

10Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana;

Fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

11Avia, anaka, mihainoa ahy;

Ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.

12Na iza na iza ianao no maniry fiainana

Ka tia andro maro hahitana ny soa,

13Dia arovy ny lelanao amin’ny ratsy

Ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.

14Halaviro ny ratsy, ka manaova soa:

Mitadiava fihavanana, ka araho izany.

15Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina,

Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

16Ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy kosa,

Mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.

17Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah

Ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra.

18Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah

Ary mamonjy izay torotoro fanahy.

19Maro ny fahorian’ny marina;

Nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.

20Miaro ny taolany rehetra Izy;

Tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.

21Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana;

Ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.

22Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ny mpanompony,

Ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help