1Voaloboka misandrahaka Isiraely,
Mamoa ho azy izy;
Araka ny habetsahan’ny voany no nanaovany alitara betsaka,
Araka ny hatsaran’ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
2Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony;
Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
3Amin’izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika;
Fa tsy natahorantsika Jehovah,
Koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4Niteniteny foana izy tamin’ny nianianany tsy to sy ny nanaovany fanekena;
Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
5Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ny ombivavy kely ao Betavena;
Fa ny olony mitomany azy,
Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy,
Dia noho ny amin’ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany.
6Iny koa ho entina any Asyria
Ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka;
Ho afa-baraka Efraima,
Eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
7Ho rava Samaria,
Ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano.
8Ary ho rava koa ny fitoerana avo ao Avena, izay anotan’Isiraely;
Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany;
Ary izy hanao amin’ny tendrombohitra hoe: Saròny izahay,
Ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
9Hatramin’ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely;
Nikikitra tany izy;
Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
10Araka ny sitrako no hamaizako azy;
Ary hovorina hamely azy ny firenena,
Amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka
Ka faly hively vary;
Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy;
Hampandehaniko Efraima;
Joda hiasa tany,
Ary Jakoba handravona.
12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana,
Mijinjà araka ny fitiavana,
Hevoy ny tombam-borakareo;
Fa izao no andro hitadiavana an’i Jehovah
Ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
13Niasa faharatsiana hianareo,
Ka fahadisoana no nojinjanareo;
Nihinana ny vokatry ny lainga hianareo
Fa nitoky tamin’ny alehanareo
Sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinareo hianareo.
14Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo,
Ka horavana ny tanànanareo mimanda rehetra,
Toy ny nandravan’i Salamana an’i Bet-arbela tamin’ny andro niadiana,
Ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ny zanany.
15Toy izany no hataon’i Betela aminareo,
Noho ny haben’ny faharatsianareo;
Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ny Isiraely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.