1HALELOIA.
Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah
Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
2Hahery ambonin’ny tany ny zanany;
Hotahina ny taranaky ny marina.
3Fananana sy harena no ao an-tranony;
Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
4Ao amin’ny maizina no iposahan’ny mazava ho an’ny mahitsy;
Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7Tsy mba manahinahy hahare loza izy;
Tafatoetra matoky an’i Jehovah ny fony.
8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy,
Mandra-pifaliny mahita ny amin’ny mpandrafy azy.
9Namafy izy, eny, nanome ho an’ny malahelo;
Ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra;
Hihidy vazana izy ka ho levona;
Ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.