1Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Maskila nataon’i Davida.
MIHAINOA ny fivavako, Andriamanitra ô,
Ary aza miery amin’ny fitarainako.
2Henoy aho, ka valio;
Miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho
3Noho ny feon’ny fahavalo sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy;
Fa mampianjera loza amiko ireny,
Ary amin’ny fahatezerana no ankahalany ahy.
4Mangorohoro ato anatiko ny foko;
Ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
5Tahotra sy hovitra no mahazo ahy,
Ary manafotra ahy ny horohoro.
6Ka hoy izaho: Enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho,
Dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
7Eny, handositra lavitra aho
Ka hitoetra any an-efitra.
[Sela.]
8Handeha faingana aho hamonjy fialofana
Mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
9Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô.
Fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
10Hodidininy andro aman-alina eny ambonin’ny màndany io;
Ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
11Ratsy no ao anatiny;
Ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ny làlambeny.
12Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,–
Fa raha izany, dia niaritra ihany aho;
Tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy,–
Fa raha izany, dia niery azy aho;
13Fa hianao, lehilahy mitovy saranga amiko,
Namako sy sakaizako indrindra,
14Dia isika izay nifankamamy resaka
Ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao an-tranon’Andriamanitra.
15Aoka hanampoka azy ny fahafatesana.
Aoka hidina velona any amin’ny fiainan-tsi-hita izy;
Fa ratsy no ao amin’ny fonenany, dia ao afovoany.
16Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko;
Ary Jehovah no hamonjy ahy.
17Hariva sy maraina ary mitataovovonana no hitarainako sy hitolokoako;
Dia hihaino ny feoko Izy,
18Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ny fiadanana hahafahako amin’ny adin’ireny amiko,
Fa maro no miady amiko.
19Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ny taloha,
[Sela.]
Ka hamaly ireo olona tsy miova toetra
Sady tsy matahotra an’Andriamanitra.
20Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy;
Namadika ny fanekeny izy.
21Malambo noho ny rononomandry ny vavany,
Kanjo ady no ao am-pony;
Malemy noho ny diloilo ny teniny,
Kanjo sabatra voatsoaka ireny.
22Apetraho amin’i Jehovah ny entanao,
Ary Izy no hanohana anao;
Tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
23Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana;
Ny mpandatsa-dra sy mpamitaka tsy hahatratra ny antsasaky ny androny;
Fa izaho kosa dia hatoky Anao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.