Salamo 8 - Malagasy Protestant Bible

Ny voninahitr’Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’i Davida.

JEHOVAH, Tomponay ô,

Endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!

Nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao.

2Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery

Noho ny mpandrafy Anao,

Mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.

3Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao,

Sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,

4Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?

Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?

5Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy.

Ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.

6Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao izy;

Ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony,

7Dia ny ondry aman-osy sy ny omby rehetra,

Ary ny bibi-dia koa

8Mbamin’ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,

Izay mandeha amin’ny làlan-dranomasina.

9Jehovah, Tomponay ô,

Endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help