Joba 8 - Malagasy Protestant Bible

Ny teny voalohany nataon’i Bildada.

1DIA namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany hianao,

Ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?

3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana,

Na ny Tsitoha hamadika ny rariny?

4Raha nanota taminy ny zanakao,

Dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.

5Fa raha hianao kosa mandroso mitady an’Andriamanitra

Ka mifona amin’ny Tsitoha.

6Ary raha madio sy mahitsy hianao,

Dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy

Ary hampiadana indray ny fonenan’ny fahamarinanao,

7Ka na dia kely aza no niandohanao,

Dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

8Fa masìna hianao, anontanio ange ny ntaolo,

Ka fantaro ny hevitra hitan’ny razany

9(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala,

Fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ny tany);

10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao

Ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ny fotaka?

Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?

12Mbola maitso izy sady tsy voajinja,

Kanefa malazo alohan’ny zava-maitso rehetra.

13Toy izany no làlan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra;

Ary ho very ny fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy,

14Fa ho maito ny fanantenany,

Eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15Miankina amin’ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny;

Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

16Mitsimoka tsara tandrifin’ny masoandro izy,

Ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ny tanimboliny;

17Mifelipelika mifaniditra eo amin’ny korontam-bato ny fàkany

Ary mahazo any anelanelany;

18Kanjo nony fongorany hiala amin’ny fitoerany izy,

Dia handa azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.

19Indro, izany ihany no fifalian’ny làlan-kalehany;

Ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ny vovoka.

20Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny

Ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;

21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao

Sy hoby ny molotrao.

22Izay mankahala anao hitafy henatra;

Ary tsy hisy intsony ny lain’ny ratsy fanahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help