Isaia 61 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ny Voahosotr’i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny.

1NY Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko,

Satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra,

Efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy,

Ary hitory fanafahana amin’ny babo

Sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava,

2Hitory taona ankasitrahan’i Jehovah

Sy andro famalian’Andriamanitsika,

Hampionona ny malahelo rehetra,

3Hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona,–

Eny, hanome azy namama ho solon’ny lavenona,

Sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana,

Ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka,

Mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana,

Nambolen’i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.

4Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola,

Ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny,

Dia hohavaozina indray ny tanàna rava,

Izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela.

5Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo,

Ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo,

6Fa hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah,

Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo;

Ho lasanareo ny haren’ny firenena,

Ary handimby voninahitra azy hianareo.

7Ny henatrareo hosoloana avy roa heny,

Ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ny anjara-lovany;

Ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy,

Fifaliana mandrakizay no ho azy.

8Fa Izaho Jehovah dia tia rariny;

Halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana;

Homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy,

Ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.

9Ny taranany ho fantatra any amin’ny jentilisa

Ary ny terany any amin’ny firenena;

Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy

Ho taranaka notahin’i Jehovah.

10Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho,

Ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro;

Fa notafiany fitafiana famonjena aho,

Ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,

Toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,

Ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.

11Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy,

Ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy,

Dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana

Eo anatrehan’ny firenena rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help