Salamo 26 - Malagasy Protestant Bible

Fangatahana mba tsy hatao ho naman’ny ratsy fanahy.

1Nataon’i Davida.

TSARAO aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ny fahamarinako aho;

Ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.

2Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro;

Izahao toetra ny voako sy ny foko.

3Fa ny famindramponao no eo anoloan’ny masoko;

Ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho.

4Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho,

Na manan-draharaha amin’ny olom-petsy.

5Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy;

Ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho.

6Manasa ny tànako noho ny fahamarinako aho

Ka te-hitoetra eo akaikin’ny alitaranao, Jehovah ô,

7Mba hanao feo fiderana

Ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.

8Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao,

Dia ny fonenan’ny voninahitrao.

9Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ny mpanota,

Na ny aiko amin’ny mpandatsa-dra,

10Izay misy fitaka eny an-tànany,

Ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.

11Fa izaho kosa dia mandeha amin’ny fahamarinako;

Avoty sy amindrao fo aho.

12Ny tongotro mijoro eo amin’ny tany marina;

Eo am-piangonana no isaorako an’i Jehovah.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help