Salamo 20 - Malagasy Protestant Bible

Vavaka ho an’ny mpanjaka raha mivoaka hanafika.

1Ho an’ny mpiventry hira. Salamo nataon’i Davida.

HIHAINO anao anie Jehovah amin’ny andro fahoriana;

Hitondra anao ho any amin’ny avo anie ny anaran’Andriamanitr’i Jakoba.

2Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerana masina anie Izy

Ary hanohana anao avy any Ziona.

3Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy

Ary hankasitraka ny fanatitra doranao.

[Sela.]

4Hanome anao araka ny fonao anie Izy

Ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.

5Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay,

Ary amin’ny anaran’Andriamanitray no hanangananay faneva;

Hotanterahin’i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.

6Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony;

Hamaly azy avy amin’ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ny herin’ny famonjen’ny tànany ankavanana.

7Ny sasany mitoky amin’ny kalesy, ary ny sasany amin’ny soavaly;

Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.

8Ireo dia reraka sady lavo;

Fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,

9Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka;

Hamaly anay anie Izy amin’izay andro iantsoanay Azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help