Salamo 117 - Malagasy Protestant Bible
Fiantsoana izao firenena rehetra izao hidera an’i Jehovah.
1MIDERÀ an’i Jehovah ry firenena rehetra;
Miderà Azy, ry olona rehetra.
2Fa lehibe ny famindrampony amintsika;
Ary mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah.
Haleloia.