Joba 2 - Malagasy Protestant Bible

Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an’i Joba, sy ny namangian’ny sakaizany telo lahy azy

1ARY tamin’ny indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’i Jehovah.

2Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza hianao? Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.

3Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao.

4Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.

5Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony–raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!

6Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.

7Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’i Jehovah ka namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany.

8Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.

9Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.

10Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?

Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba.

11Ary rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy–dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita–ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.

12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ny lanitra hiraraka amin’ny lohany.

13Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany hafitoan’andro sy hafitoan’alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help