1Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.
FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko:
Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.
2Ny tongotray efa mijoro
Eo anatin’ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3Dia hianao, ry Jerosalema, izay efa vita
Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4Any no iakaran’ny firenena,
Dia ireo firenen’i Jehovah
(Lalàna amin’ny Isiraely izany),
Mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.
5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka,
Dia ny seza fiandrianan’ny mpianakavin’i Davida.
6Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema;
Hambinina anie izay tia anao;
7Fiadanana anie ho ao anatin’ny mandanao;
Fanambinana anie ho ao an-dapanao.
8Noho ny rahalahiko sy ny namako
No hanaovako hoe: Fiadanana anie ho ao anatinao.
9Noho ny tranon’i Jehovah Andriamanitsika
Dia hitady izay hahatsara anao aho.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.