Deoteronomia 33 - Malagasy Protestant Bible

Ny tso-drano nataon’i Mosesy tamin’ny firenen’Isiraely.

1ARY izao no tso-drano nataon’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, tamin’ny Zanak’Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.

2Hoy izy:

Jehovah avy tao Sinay,

Ary niseho taminy avy tany Seïra;

Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy;

Ary avy tao amin’ny masiny tsy omby alinalina;

Ary teo ankavanany nisy lalàn’afo ho an’ireo.

3Eny, tia ireo firenena Izy;

Eo an-tànanao avokoa ny masiny rehetra;

Miandry eo anilan’ny tongotrao ireo

Ka samy mandray amin’ny teninao.

4Lalàna no nandidian’i Mosesy antsika

Ho lovan’ny fiangonan’i Jakoba.

5Ary tonga mpanjakan’i Jesorona Izy,

Rehefa tafangona ny lehiben’ny vahoaka

Sy ny firenen’Isiraely rehetra.

6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty,

Nefa aoka ho vitsy olona izy.

7Ary ny amin’i JODA dia izao–hoy izy:

Jehovah ô, mihainoa ny feon’i Joda,

Ka ento ho amin’ny olony izy.

Ny tànany no hiadiany ho azy,

Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.

8Ary ny amin’i LEVY dia hoy izy:

Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ny olonao masina.

Izay nizahanao toetra tao Masa

Sy nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meriba,–

9Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho,

Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy,

Ary izay zanany aza dia tsy fantany;

Fa nitandrina ny teninao izy

Ka nitana ny fanekenao.

10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao,

Ary Isiraely ny lalànao;

Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao izy

Sy fanatitra dorana eo ambonin’ny alitaranao.

11Jehovah ô, tahio ny heriny,

Ary aoka ho sitrakao ny asan’ny tànany;

Asio mafy ny valahan’izay mitsangana hiady aminy,

ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.

12Ary ny amin’i BENJAMIN dia hoy izy:

Ny malalan’i Jehovah honina fahizay eo aminy,

Dia halofany mandrakariva,

Ary hobabeny eo an-damosiny.

13Ary ny amin’i JOSEFA dia hoy izy:–

Hotahin’i Jehovah anie ny taniny

Amin’ny zava-tsoan’ny lanitra, dia amin’ny ando,

Ary amin’ny rano lalina mamitsaka any ambany,

14Ary amin’ny zava-tsoa vokatry ny masoandro

Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,

15Ary amin’ny zava-malaza avy amin’ny tendrombohitra fahagola

Sy ny zava-tsoa avy amin’ny havoana mandrakizay

16Mbamin’ny zava-tsoan’ny tany sy izay rehetra eo aminy

Sy ny fankasitrahan’Izay nitoetra tao amin’ilay roimemy;

Ary aoka ho tonga eo an-dohan’i Josefa izany,

Dia eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny.

17Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza,

Tandrok’ombimanga ny tandrony;

Izany no hanotoany ny firenena rehetra,

Dia ny faran’ny tany;

Ireo no alinalin’i Efraima

Sy arivoarivon’i Manase.

18Ary ny amin’i ZEBOLONA dia hoy izy:

Mifalia, ry Zebolona, amin’izay alehanao,

Ary hianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.

19Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra,

Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana;

Fa hitsentsitra ny haren’ny ranomasina izy

Sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika.

20Ary ny amin’i GADA dia hoy izy;

Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’i Gada;

Mamitsaka tahaka ny liombavy izy

Ka mamiravira ny sandry mbamin’ny tampon-doha.

21Nizaha izay tsara indrindra ho an’ny tenany izy,

Fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana.

Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy,

Ary araka ny fahamarinan’i Jehovah ny nataony,

Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Isiraely.

22Ary ny amin’i DANA dia hoy izy:

Dana dia zana-diona;

Miantsampy avy ao Basana izy.

23Ary ny amin’i NAFTALY dia hoy izy:

Ry Naftaly, voky fankasitrahana

Ka feno ny fitahian’i Jehovah,

Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie hianao.

24Ary ny amin’i ASERA dia hoy izy:

Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera,

Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy

Ka hanoboka ny tongony amin’ny diloilo.

25Ho vy sy varahina ny hidinao;

Ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao.

26Ry Jesorona, tsy misy tahaka an’Andriamanitra,

Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao,

Sady mandia ny rahona amin’ny voninahiny.

27Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana,

Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany.

Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy

Ka manao hoe: Aringano.

28Ary mandry fahizay Isiraely,

Mitokana irery ny loharanon’i Jakoba

Ao amin’ny tany be vary sy ranom-boaloboka,

Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.

29Sambatra hianao, ry Isiraely;

Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’i Jehovah,

Ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao!

Hikoy anao ny fahavalonao.

Ary hianao handia ny fitoerany avo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help