Salamo 87 - Malagasy Protestant Bible

Ny tanànan’i Jehovah, izay hahaterahan’ny firenena maro ho isan’ny Isiraely.

1Salamo nataon’ny Koraïta. Tonon-kira.

NY naorin’i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;

2Ny vavahadin’i Ziona dia tian’i Jehovah

Mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’i Jakoba.

3Zava-malaza no anambarana anao,

Ry tanànan’Andriamanitra.

[Sela.]

4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’izay mahalala Ahy;

Indro Filistia sy Tyro mbamin’i Etiopia,–

Ity no efa teraka teo.

5Ary Ziona hilazana hoe:

Ireto sy ireroa samy efa teraka teo;

Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.

6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy:

Ity no efa teraka teo.

[Sela.]

7 Hoy izay mihira sy mandihy:

Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help