Isaia 11 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ny famonjena hataon’Ilay Solofon’i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin’izany.

1ARY hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese,

Ary hisy mitrebona avy eo amin’ny fàkany;

2Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy,

Dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina;

Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana;

Ny Fanahin’ny fahalalanasy ny fahatahorana an’i Jehovah;

3Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah,

Ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy,

Na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny;

4Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo;

Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany;

Hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy,

Ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.

5Fahamarinana no ho fisikinany,

Ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony

6Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry;

Ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;

Ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana,

Ary ny zazakely no hiroaka azy.

7Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana;

Ny zanany hiara-mandry;

Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;

8Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera,

Ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana.

9Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy;

Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah,

Tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.

10Ary amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese,

Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena,

Dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa;

Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.

11Ary amin’izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany

Hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta

Sy Patrosa sy Etiopia

Sy Elama sy Sinara sy Hamata

Ary ny avy any amin’ny moron-dranomasina.

12Dia hanangana faneva ho an’ny jentilisa Izy

Ka hamory ny Isiraely izay voaroaka

Sy hanangona ny Joda izay voaely

Avy any amin’ny vazan-tany efatra.

13Ary hitsahatra ny fialonan’i Efraima,

Ary hofongorana ny fandrafiana an’ i Joda:

Efraima tsy hialona an’i Joda,

Ary Joda tsy handrafy an’i Efraima.

14Fa hipaoka ny tanin’ny Filistina any andrefana ireo

Sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana;

Amin’i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tànany,

Ary ny taranak’i Amona hanoa azy.

15Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana

Ary haninjitra ny tànany amin’ny Ony ka hamely azy amin’ny rivony mahamay

Ka hampisaraka azy hisampana fito

Ary haha-tafita ny olona tsy miala kapa.

16Ary hisy làlana voavoatra halehan’ny olony sisa,

Izay sisa avy any Asyria,

Dia toy ny ho an’ny Isiraely

Tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help