Amosa 5 - Malagasy Protestant Bible

Ny handravana ny fanjakan’Isiraely.

1HENOINAREO izao teny izao, izay entiko milaza anareo,

Dia hira fahalahelovana, ry taranak’Isiraely;

2Lavo Isiraely virijina

Ka tsy hahatsangana intsony;

Nazera tamin’ny taniny izy,

Ka tsy misy manangana azy.

3Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo:

Izay tanàna namoaka arivo,

Dia, indreo, zato monja no sisa:

Ary izay namoaka zato,

Dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ny taranak’Isiraely.

4Fa izao no lazain’i Jehovah amin’ny taranak’Isiraely;

Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo;

5Fa aza mitady an’i Betela,

Na mankany Gilgala,

Ary aza mandroso ho any Berisheba;

Fa ho babo tokoa Gilgala,

Ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.

6Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona hianareo;

Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ny taranak’i Josefa Izy,

Ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,–

7Dia hianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty

Ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ny tany.

8Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy,

Ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina

Sy manamaizina ny andro ho alina,

Dia Ilay miantso ny rano ao an-dranomasina

Ka mandatsaka azy amin’ny tany:

Jehovah no anarany,–

9Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery,

Ka dia mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

10Halany eo am-bavahady izay mananatra,

Ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.

11Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra

Sy ny nampandoavanareo vary azy,

Dia mba nanao trano vato voapaika ihany hianareo,

Nefa tsy hitoetra ao aminy;

Namboly tanimboaloboka mahafinaritra ihany hianareo,

Nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

12Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo:

Mampahory ny marina sy mandray kolikoly hianareo

Ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.

13Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’izao andro izao,

Fa andro mampahory izao.

14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo;

Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.

15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara,

Ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny;

Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa.

16Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro:

Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana,

Ary eny an-dàlambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy!

Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy,

Ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.

17Ary any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy fisaonana;

Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.

18Lozan’izay maniry ny andron’i Jehovah!

Hataonareo inona moa ny andron’i Jehovah?

Dia aizina, fa tsy fahazavana,–

19Tahaka ny olona mandositra ny liona

Ka sendra ny bera,

Ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tànana amin’ny rindrina,

Dia kekerin’ny menarana.

20Moa tsy aizina va ny andron’i Jehovah, fa tsy fahazavana?

Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?

21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo,

Ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.

22Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho,

Dia tsy sitrako izany;

Ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.

23Atsaharo ny finaonaonan’ny hiranareo, fa maharenina Ahy;

Fa tsy hihaino ny fanenon’ny lokanganareo Aho.

24Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,

Ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.

25Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-dra ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va hianareo, ry taranak’i Isiraely?

26Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ny mpanjakanareo

Sy ny fipetrahan’ny sampinareo ihany no nataonareo,

Dia ny kintan’ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo.

27Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’i Damaskosy hianareo,

Hoy Jehovah,–Andriamanitry ny maro no anarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help