Salamo 58 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’i Davida.

MOA ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina?

Mitsara mahitsy va hianareo, ry zanak’olombelona?

2Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy;

Mandanja ny fandozan’ny tànanareo etỳ an-tany hianareo.

3Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy;

Mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.

4Misy poizina tahaka ny an’ny menarana aminy;

Eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadìny izy

5Ka tsy mihaino ny feon’ny mpanao ody,

Na dia izay mpahay ody indrindra aza.

6Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany;

Omboty ny vazan’ny liona tanora, Jehovah ô.

7Aoka ho ritra tahaka ny rano-trambo izy;

Raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;

8Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy;

Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.

9Dieny tsy mbola mafanan’ny afon-tsilo ny vilaninareo,

Aoka ho entin’ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.

10Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana;

Hanasa ny tongony amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy;

11Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: Misy valiny tokoa ho an’ny marina;

Misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help